Nitondra fanazavana ny tetikasa Produir ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ny lakandrano C3 izay misy akony amin’ny fahasalamam-bahoaka. Fantatra tamin’izany fa ahitana karazana loto simika sy biolojika ny fotaka voatahiry ao anaty lakandrano. Rakotra fako mifangaro amin’ny fotaka anefa ireo singa notsongaina tao ireo.
Mitondra loza eo amin’ny tontolo iainana ny fisian’ireo loto ireo satria ahitana firamainty izay mampiofo tsy araka ny tokony ho izy ireo singa ara-boajanahary miteraka fahamombana, fahataran’ny fitombon’ny zaza…
Misy zinc ihany koa ny loto, izay ahitana poizina miteraka aretim-bavony, hidihidy amin’ny hoditra, tsy fahampian-dra… Ankoatra izany ny akoranafo mety hiteraka tsy fahatomombanan’ny hozatra sy ny taova fandevonan-kanina. Ny «dioxines» sy ny «furanes» mitarika amin’ny fahapotehan’ny hoditra ary rehefa ela ny ela dia mitarika amin’ny fikorontanan’ny hery fiarovana. Ny poizim-biby indray dia mahatonga ny karazana homamiadana .
Iankinan’ny fahasalamam-bahoaka, araka izany, ny fanadiovana ny lakandrano izay imasoan’ny tetikasa Produir satria miezaka manala ireo karazana fako miteraka poizina isan-karazany. Izany indrindra no anaovana fanentanana tsy tapaka ny mponina ny amin’ny hanajana ny fahadiovan’ny lakandrano satria samy tompon’andraikitra ny rehetra ary zava-doza no ateraky ny loto.
Tatiana A