Mananara Avaratra : jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Niharan’ny fitsaram-bahoaka, naratra mafy ny lehilahy iray. Nahatraran’ny fokonolona entana halatra tao Analanja­hana, fokontanin’ Androkaroka, kaominina Ma­nanara, afakomaly maraina. Nangalatra tao amin’io fokontany io izy. Raikitra ny fanenjehana fokonolona ka tsy afa-bela ilay olon-dratsy. Lavo ta­min’ny tany, raikitra ny fikasihan-tanana sy ny daroka. Na­nampy trotraka ny hatezeran’ny fokonolona izay efa leo ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana. Nahare ny zava-nisy ny mpitandro filaminana ary nijery ifotony ny raharaha. Nentina natao fanadihadiana, araka izany, ilay jiolahy. Avo­tra tamin’ny fikasihan-tanana nataon’ireo olon-tsotra nisambotra azy noho izany ity farany. Sarona teny aminy ny fa­mokarana herinaratra mandeha amin’ny ma­soandro sy ireo entana halatra hafa. Mi­tohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: