Mifamahofaho ny lafiny famatsiana entana eto Toamasina. Mitaky ny hahalalana ny marina momba ny famonoana ilay teratany indianina ny mpandraharaha namany. Mety hisy ny ankivy hataon’izy ireo, tsy hahatongavan’ny entana ilaina andavanandro PPN.
Mirongatra ny asan-jiolahy eto Toamasina. Manaitra ny fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpandraharaha karana, hijery haingana mikasika ny namonoana ilay teratany indianina, Haersh Kumair, maty notifirin’ny jiolahy ny 4 febroary 2023 teo. Saika vao hanomboka handraharaha eto an-toerana ity mpandraharaha ity.
Nomarihin’izy ireo, tsy nitonona anarana, mba hitandroany ny ainy, fa tsy ireo nahavanon-doza sy nanao ny fanafihana ireny lazaina fa voatifitry ny mpitandro filaminana ireny.
Araka ny loharanom-baovao hatrany, mety hanana fikasana hanao ankivy ny fanafarana entana ilaina andavanandro (PPN) avy any ivelany ireo mpandraharaha teratany indianina ireo, raha tsy mivoaka ny marina mikasika ity famonoana ny namany ity. Anisan’izany ny siramamy, ny vary, ny lafarinina, sns. Ahina hiaka-bidy, noho izany, ny zavatra ilaina andavanandro hafarana avy any ivelany.
Niala ny fiarabe mpitatitra entana
Voalaza fa efa misy entana manodidina ny 25.000 t hatramin’ny 40.000 t avy any India, tsy ho tonga aty Madagasikara fa navily lalana any amin’ny firenen-kafa. Misy koa sambo hafa miainga avy atsy amin’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina, mitondra vary anaty kaontenera miisa 1.200 ho avy eto amintsika. Voalaza fa tsy hahafeno ny filan’ny mponina hatramin’ny faran’ity taona 2023 ity anefa izany.
Manoloana ireo, efa nanala ny kamiaony saika niandry ny entam-barotra alaina ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny mpitatitra, satria efa nahare sy nampandrenesin’ireo indianina mpanafatra entana PPN.
Fitaovam-piadiana an-tsokosoko
Voalaza fa tsy hisy ny entana tsy misy fonony na tsy ao anaty kaontenera ho tonga aty Madagasikara, raha tsy fantatra ny marina mikasika ny namonoana an’ilay teratany indianina sy ny fitaovam-piadiana nampiasaina. Anisan’izany ny momba ny bala 9mm nampiasain’ireo jiolahy. Araka ny hevitry ny tomponandraikitra ara-pitsarana sy mpitadro filaminana sasany, « ekena fa bala 9 mm ny fampiasan’ny mpitandro filaminana, saingy tsy azy ireo ireny marika hita amin’ny vodibala nampiasain’ny jiolahy ireny. Tombanana misy ny mampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko eto amin’ny firenena ».
Sajo