Nitsangana ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny vovonana Firaisankina ho an’ny faritra arovana eto Madagasikara (CAPM). Tanjona ny hanairana sy ny hampahafantarana ny rehetra ny lanjan’ny fiarovana sy ny lanjan’ny biby sy ny zavamaniry eo amin’ny lafiny toekarena maharitra eto amintsika. Hasogandina amin’izany ny fitantanana sy ny fiarovana mahomby amin’ny sehatry ny harena voajanahary.
Efa kely ny finoana mikasika ny farihin’i Mandrozo any amin’ny faritra Melaky tamin’ny taona 2006. Satria, nirongatra ny fanjonoana gaboraraka sy mihoapampana ary koa ny fandripahana ny zavamaniry manodidina azy. Napetraky ny mponina ny fepetra mifehy ny jono, sy ny mpisafo mpanara-maso. Anisan’ny vokatra nahomby ny nahitana ny fiverenan’ny voromahery Ankoay, tsy hita raha tsy eto Madagasikara, indray tany an-toerana.
Ho an’ny faritra arovana Beanka, faritra Melaky ihany koa, fanaon’ny mponina manodidina azy ny mihinana ny henan’ny varika. Nentanina tsy hanao izany intsony izy ireo, ka nampianarina sy notohanana hiompy akoho amam-borona. Nisy vokany izany, ka tafakatra 5.400 ny isan’ny varika Eulemur rufus, ny taona 2022, raha 1.300 sisa taloha, ary lasa 11.400 ny Propithecus deckini raha 2.500 tany aloha.
Njaka A.