Ratsiraka Annick: “Latsaka an-katerena ny firenena”

Nanamarika ny faha-76 taonan’ny 29 marsa 1947 koa ny eo anivon’ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly (SN), Ratsiraka Annick tamin’izany fa very ihany ny ampahany tamin’ny finiavana hanavotra ny firenena tao amin’ireo tia tanindrazana ireo. Samy resy lahatra isika fa tsy tokony ho tahaka izao ny toerana misy antsika raha mbola tahaka ireo ray aman-dreny nitolona tamin’izany ny fitiavan-tanindrazana nananantsika sy ireo mpitondra nifanesy, araka ny nambarany. “Latsaka an-katerena tanteraka ny firenena”, hoy izy. Notsiahiviny fa antony namerenana ny anarana ho Antoko revolisionera malagasy izany. Mila revolisiona na ny firenena na ny vahoaka, araka ny nambarany.
Notsarovan’izy ireo koa ny faha-2 taona nahalasanan’ny Amiraly Ratsiraka ary nalevina eny amin’ny fasan’ny maherifo, Avaratr’Ambo­hitsaina, ny 29 marsa 2021 ihany. Nentina am-bavaka tao amin’ny Chapelle Notre Da­me de la Paix Andrainarivo izany. Teo koa ny fampirantiana sary ny tantaran’ny Ami­raly, notontosain-dRakotobe Michel.

Synèse R.

Partager sur: