Rugby – “World Cup 2023” : maratra i Reece, mpilalaon’ny All Blacks

Tsy afaka hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, ta­ranja rugby, hatao any Fran­tsa, ny 8 septambra – 28 oktobra ho avy izao i Sevu Reece, mpilalao Néo-Zélandais. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, maratra eo amin’ny lohaliny na “rupture des ligaments croisés” ity “Trois-quarts ailé” ny All Blacks ity. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo, tapitra ny taom-pilalaovana 2022-2023 ho an’i Sevu, ary efa manaraka fitsaboana ny tenany amin’izao fotoana izao. Hanahirana ny mpanazatra Ian Foster, ity vaovao ratsy ity satria anisan’ny andry iankinan’ny ekipa Néo- zélandais i Sevu. Marihina fa ny All Blacks sy ny XV de France no hanokatra ny lalao amin’ny “World Cup 2023”. Tsiahi­vina fa ny taona 2015 no nahazo amboara eran-tany farany ny All Blacks, raha
toa ka ny Springboks Afrika Atsimo no tompondaka ta­min’ny “Mondial Rugby Ja­pon 2019” farany teo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: