Nanentana ireo olom-pirenena mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny tamin’ny RN4, Mahitsy, Soaniadanana, Ankazobe iny. Notsiahiviny fa mbola ambany ny tahan’ny fisoratana ho an’ny any amin’ny faritr’i Vonizongo iny ka nanentanany ny rehetra handeha any amin’ny fokontany. “Hamarino ny anarantsika”, hoy izy. Nambarany fa tsy afaka mifidy na hilatsaka hofidiana na koa ho mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato raha tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Tahaka izany koa, ny tsy fahafahana manara-maso na hitaraina raha miseho ny tsy fanarahan- dalàna amin’ny fifidianana. Nizarana taratasy fanentanana hatrany ireo vahoaka tamin’ ireo toerana nolalovany rehetra.
Etsy andaniny, nohitsiny ny tokony hahaizana mifidy, manomboka izao. Nihaino ny olana sy hetahetan’ny vahoaka ny tenany nandritra izany.
Nifanosika ny depiote sy ny zandary
Tsiahivina fa nosakanan’ny zandary tsy hanaraka ny filoha nasionalin’ny Tim ireo vahoaka nanao diabe teny an-dalana, nialohavan’ny mpitsoka mozika tao Ankazobe. Efa nifampisintona sy nifanosika ny depiote sy ireo mpitandro filaminana nanaparitaka ireo vahoaka, hivily lalana. Na izany aza, nitohy teny an-tsena izany fihaonana amin’ny vahoaka izany avy eo.
Synèse R.