Tontosa ny 28 marsa 2023 ny fametrahana ny orinasa mpanodina tantely ao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrika Atsimondrano, ao anatin’ilay tetikasam-panjakana momba ny fananganana indostria iray isaky ny distrika na ny ODOF*.
Niara-nientana tamin’ny minisitera misahana ny indostria sy ny Fivmpama (Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy) ny kaominina Alakamisy Fenoarivo amin’ny fametrahana orinasa isaky ny distrika. Milina hanodina vokatra eny ifotony no natolotra, fitaovana hanodina tantely mba hahazoana kalitao tsara hamidy eny an-tsena.
Hatao ho tanjona mihitsy ny hanondrana any ivelany. Milina arifomba mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mahavita manodina tantely hatramin’ny 600 litatra isan’andro.
Zava-dehibe ny dingana ataon’ireo mpandraharaha malagasy ao anatin’ny Fivmpama, amin’ny alalan’izao fiarahany amin’ny fanjakana izao. Nentanin’ny minisitra hatrany ireo mpandraharaha malagasy mba hiroso amin’ny fandraharahana miteraka vokatsoa ho an’ny firenena. Naneho ny fahavononany mandrakariva ny minisitera hifampiresaka sy hanohana ary hampandroso ny fandraharahana tsy an-kanavaka.
“Hotetezina avokoa ireo distrika”
Fotoana mbola nanamafisan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Edgard, taorian’ny Taninketsa indostrialy tafapetraka tany amin’ny faritra Amoron’i Mania, Menabe, Analamanga, Matsiatra Ambony sy Boeny, fa « hotetezina avokoa ireo distrika ka tsy hisy na iray aza ho hadino. Tsy ho vitan’ny fanjakana irery ny fametrahana orinasa manerana ny Nosy fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpandraharaha sy ny sehatra tsy miankina ». 75 ny isan’ireo milina efa vonona hapetraka amin’ny distrika maro hafa. Ho fanodinana tantely avokoa ve ireo ?
Ndrina
ODOF* : One district one factory