Tetikasa Avotse : nanome koba 7 t ny Groupe CFAO Madagascar

Nanatevin-daharana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Avotse ho fanampiana ireo ankizy mpianatra any Atsimo tohanan’ny fikambanana Fitia koa, manomboka izao, ny groupe CFAO Madagascar.

Nanolotra koba 7 t entina hanampiana ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly any Atsimo izy ireo hanatevina ny vary sy laoka efa zaraina isan’andro ho an’ny mpianatra, ny talata lasa teo. Raha 3500 ireo mpianatra nahazo sakafo an-tsekoly avy amin’ny fikambanana Fitia tany am-piandohana, efa mahatratra 9921 izany ankehitriny ary manodidina ny 3 tapitrisa ny sakafo efa nozaraina hatramin’izay. Sekoly 20 anatin’ny tapany atsimon’ny Nosy no misitraka tohana iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra ny vary sy laoka, efa zarain’ny fikambanana Fitia isanandro any Atsimo, hahazo sakafo maraina indray ireo mpianatra mandritra ny telo volana amin’ny alalan’izao fanampiana avy amin’ny Groupe CFAO Ma­dagascar izao. Tsy hijanona eto fa nampanantena ny Group CFAO Madagascar fa hanohy izao fanampiana ny tetikasa Avotse iarahana
amin’ny fikambanana Fitia izao. Efa nentina any Atsimo ireo koba ireo ary hozaraina amin’ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly 20 manomboka amin’ity herinandro ity.
Fomba iray mahomby hitazonana ny ankizy any an-dakilasy ny fizarana sakafo isan’andro. Misy ireo tsy mi­hinana mihitsy miala any an-trano fa manantena ny tohana any an-tsekoly. Napetraky ny fikambanana Fitia ny volana janoary taona 2021 ny tetikasa Avotse, miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka maromaro, hanohanana sakafo isan’andro ny mpianatra any Atsimon’ny Nosy izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo matetika.

Vonjy A.

Partager sur: