Efa ela no niandrasana azy! Izao kosa vao ho tontosa ny seho izay hataon’ny Soa, misy an’i LudySoa sy Nathan, aty an-tanindrazana…
Tsaroanareo ve, i LudySoa sy i Nathan? Izy mianadahy ireto ilay nampientanentana ny fon’ny Malagasy manerana izao tontolo izao, nifaninana tao amin’ny “The Voice France” ny taona 2020. Tamin’izany fotoana izany dia efa samy niandrandra ny fampisehoana hataon’izy ireo aty Madagasikara ny mpiray tanindrazana. Mbola maro anefa ny fandaharam-potoan’izy mianadahy, ary anisan’izany ny fanomanany ny fandraisany anjara tamin’ny fifaninanana “Euro Vision” tamin’ny taon-dasa.
Vaovao lehibe kosa no nampitain-dry Soa avy any: ho avy ary hanao fampisehoana eto Madagasikara izy ireo. Hotontosaina ny sabotsy 20 mey ho avy izao io, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Toerana izay miraikitra ao ampon’ireto tanora mpanakanto malagasy mamiratra any ivelany, saingy tsy manadino ny fototra nipoirany ireto.
Raha tsiahivina ny tantara, nisy ilay tarika Dago Diamonds, izay i LudySoa no mpihira sady mpamoron-kira. Niaka-tsehatra tao amin’ny CCEsca izy ireo ny volana oktobra 2016, ka ny ankamaroan’ny mpijery dia ireo liana te hahalala ny mozikan’ity tarika ity. Tovovavy vao 16 taona monja izy tamin’izany, no nifehy ny sehatra! “C’est l’été” ilay hira tena nalaza tamin’io, fa efa nisy maromaro tao…
Raha tsy lasa nifindra monina tany ivelany, ka nandray anjara tamin’ilay fifaninanan-kira “The Voice” ny taona 2020, tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy i LudySoa sy i Nathan. Niara-nitolagaga tamin-dry Pascal Obispo sy ny namany ny rehetra, indrindra tamin’ny nanaovan’izy mianadahy ny “Ravoravo” an’i Mika sy Davis.
Marobe ny lalana nolalovan’izy mianadahy taorian’ny “The Voice”. Anisan’izany ny fisafidianana ny anaran’ny tarika hoe Soa. “Lava loatra ilay hoe LudySoa sy Nathan. Tianay hasongadina koa ilay hoe Soa, izay sady fanomezam-boninahitra ny reninay, satria Holisoa no anarany”, hoy ny nambaran’i LudySoa, nandritra ny dinika nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny JustMusic.fr.
Nampiaka-daza azy ireo indray ilay hira “Loin de toi”, nivoaka ny 2021. Ilay hira “Seule” kosa anefa izao no tena be mpankafy amin’ny sanganasan-dry Soa, ary anisan’ny nandraisan’ny label “Jo&Co” azy ireo izany.
Maro ny lalana nolalovan’ireto tanora manan-talenta ireto teo anelanelan’ny taona 2016 sy izao 2023 izao. Ny haneho izay indrindra no mahafaly azy ireo hihaona amin’ireo mpankafy aty Madagasikara amin’izay…
Nangonin’i Zo ny Aina