Ny talata 28 marsa lasa teo tao Salazamay Atsimo Toamasina, ramatoa iray nitondra moto hanatitra ny zanany hianatra no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana. Nijanona hividy zavatra tamina toeram-pivarotana iray no norahonan’ireo olon-dratsy ny basy mba hanome ilay moto sy ny finday any aminy. Voatery nampidina an-janany teo ambony moto ilay renim-pianakaviana sady nanome ny fanalahidin’ny moto ho an’ireo jiolahy. Afaka niantso vonjy ihany anefa izy satria mbola nisy finday hafa tany am-paosiny. Nanampy rahateo koa ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny zava-nisy. Raikitra teo ny tora-bato sy ny fifanenjehana. Namaly tifitra kosa ry zalahy nandritra izany. Tonga ara-potoana ny polisy ka tsy nifandrenesana ny poa-basy. Nitsambikina avy eny ambony moto ny iray raha nitsoaka nanohy ny fandosirana kosa ny iray. Vokany, tratra tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe izy roa lahy miaraka amin’ny basy sy moto. Fantatra nandritra ny savaranonando azy ireo fa hofaina 3 hetsy Ar isaky ny fanafihana ny basy iray. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny famotorana hivoahan’ny tena mpampanofa basy ao Toamasina. Nivoaka tao anatin’ny fanadihadiana koa fa izy roa lahy ireto no tompon’antoka tamin’ny fitifirana ka nahavoa tsy nahy an’i Sedera Kely, ny 3 novambra 2022. Nanamafy ny tonian’ny fampanoavana, i Yvi Sandro fa atao fanta-poko fanta-pirenena izay mety ho vokatry ny fanadihadiana momba ny basy tonga eny am-pelatanan’ny jiolahy.
Tohivakana ny fanafihana ao Toamasina…
Mirongatra izaitsizy ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina. Ny alahady 26 marsa lasa teo, ramatoa iray notafihin’ny jiolahy teo anoloan’ny Chan Tav Ambolomadinika. Lasa ny poketra sy ny finday avolenta iray ary ny firavaka volamena. Mahita ny ataon’ireo jiolahy avokoa ny ankamaroan’ny olona fa mitazam-potsiny satria matahotra valifaty, araka ny filazan’izy ireo. Mbola teo amin’io toerana io ihany, ny alatsinainy teo, mpivady indray voaendaka ka naratra ilay ramatoa satria niezaka nanohitra ireo jiolahy ka noleran-dry zalahy ny antsy ka tapaka ny tanany.
Sajo/J.C