« Week-end of Rock » : homena sehatra ireo tanora mpivoy metal

Telo andro hoan’ny rock ranofotsiny. Izay no tanjona amin’ny hetsika “Week-end of Rock”, izay hotontosaina eny amin’ny Poony Logde Iavo­loha, ny 31 marsa, 1 ary 2 avri­­ly ho avy izao. “Hanomezana sehatra ireo mpanakanto tanora, mba hahitantsika koa hoe manao ahoana moa ny rock sy metal amin’izao fotoana izao? Na izany aza eo ihany koa ireo zoky efa manana ny lazany, satria ilay fiarahan’ ny rehetra no tena tanjona amin’ny hetsika. Misy ireo tarika tsy mbola niaka-tsehatra mihitsy, misy kosa ireo efa any anatin’ny laza eo amin’ny tontolo”, hoy ny fanazavana nomen’ny mpikarakara avy ao amin’ny fikambanana Rock & Metal Atsimondrano, omaly.
Hanomboka amin’ny 7 ora hariva ny seho voalohany, ny zoma 31 marsa. “Ampela mi-Rock” ny anarana nampisalorana azy, satria ny tarika Famaky sy Sahedena no hiaka-tsehatra mandritra io fotoana io. Hisy vehivavy mpanakanto mpivoy rock sy metal ihany koa ho vahinin’izy ireo. Hanomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina kosa dia efa hafana ny ao amin’ny Poony Lodge, ny sabotsy 1 avrily. Amin’ny 4 ora sy sasany kosa ny seho, izay iarahana amin’ny tarika Green, tarika zokiny sy malaza indrindra ihany koa amin’ireo mpandray anjara. Ny alahady 2 avrily manomboka amin’ny 2 ora ny famaranana, izay seho tsy misy vidim-pidirana, hi­fandimbiasan’ireo tarika vao misondrotra, toa an-dry Am­boara, Emotion, Another Life, Haunting, Tsiferana, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: