“Manaja ny politikan’ny raharaham-bahinin’ny firenena malagasy izahay ary tsy manery ny firenena tsirairay amin’ny safidiny”, hoy i Andreev Andrey Vladimirovich, masoivohon’i Russie eto Madagasikara. Tsy mampiova ny fiaraha-miasa nisy teo amin’i Rosia sy ny Malagasy hatramin’izay ny zava-misy ankehitriny, na dia nisafidy ny tsy hiandany aminy aza i Madagasikara, manoloana ny ady misy eo amin’i Russie sy i Ukraine. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny lafiny rehetra. Vina aza ny mbola hanatsarana izany, araka ny nambaran’ity masoivohon’i Russie ity.
Efa hatramin’ny naha URSS an’i Russie no efa niara-niasa ny firenena roa tonta. Ny taona 2022 no nankalazana ny faha 50 taonan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Malagasy sy ny Rosiana. “Tena diso fanantenana izahay nanoloana ny latsa-baton’i Madagasikara, izay nanohana ny fanapahan-kevitry ny tandrefana”, hoy i Andreev Andrey Vladimirovich. Nambarany ihany koa fa tsy hitondra any amin’ny fitoniana velively io fanapahan-kevitra io fa manao izay hamelezana ny Rosiana fotsiny. Na eo aza anefa izany, mitohy hatrany ary miandrandra ny fanatsarana sy fanohizana io fiaraha-miasa io ny firenena Rosiana. Anisan’izany ny eo amin’ny lafiny politika, indrindra ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fitakiana ny Nosy manodidina. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny parlemantera, izay atolotry ny Rosiana ho an’ny firenena Afrikanina rehetra. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasan’i Russie sy i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny Jono, ny angovo,ny fizahan-tany ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Araka ny nambaran’ity masoivohon’i Russie ity hatrany, Miezaka hatrany koa ny firenena tandrefana manakana ny fifandraisan’i Rosiana amin’ny firenena hafa, indrindra ny aty Afrika. Maro ireo vokatra sy fanampiana ho an’ny Afrikanina avy amin’i Russie, toy ny fanampiana ara-tsakafo, zezika, no tsy afaka mivoaka ny seranantsambo Eoropeanina, tao anatin’ny fanambarana navoakan’ny kaomisiona Eoropeanina, ny Aogositra 2022.
Lin (Mpianatra asa)