Naiditra am-ponja ireo jiolahy anisan’ny mampihorohoro amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina Antakasina, Ambatolampy, ny 27 marsa teo. Nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambololondrano, nanaparitaka bala tsy nipoaka ity fikamban-jiolahy ity, ny 19 marsa lasa teo. Tsy nanana fitaovam-piadiana izy ireo saingy nampihorohoro ireo manodidina fotsiny ihany. “Milaza ho manana basy kanefa tsy misy akory ireo jiolahy”, hoy ny zandary. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Vokany, sarona avokoa ireo dimy tompon’antoka tamin’io ramatahora sy fandrobana tao an-toerana io. Natao famotorana, niaiky heloka ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Tsiferana R.