Ankadimbahoaka : mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Namoa-doza ny kamiao iray nihazo ny fasan’ny karana, omaly. Lehilahy mpitondra bisikileta iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ankadim­bahoaka, teo anoloan’ny orinasa iray teny an-toerana, omaly. Maty tsy tra-drano voa­hitsaky ny kamiao tamin’izany ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Kamiao lehibe iray saika hihazo ny Fasan’ny karana ity voalaza ho namoa-doza ity. Tokony ho tamin’ny 3 ora sy fahefany teo no niseho ny loza. Tamin’io fotoana io, voalaza ho nifampisisi-dalana tamina moto iray io mpitondra bisikleta io. “Samy lalan’ny handeha hivoaka hihazo ny Tanjombato izy roa ka ilay moto avy any aoriana raha teo aloha kosa ilay mpitondra bisikileta”, hoy ny loharanom-baovao iray. No­to­hizany fa samy niala lavaka ny roa tonta ka izay no tena nahatonga ny loza. Mafy ny fifandonana ka nifatratra tao ambanin’ilay kamiao ilay mpitondra bisikleta. Voahi­tsaky ny kodiaran’ilay fiarabe ny lohany ka maty tsy tra-drano izy.

Potika ny lohany
Nandriaka ny ra ary potika tanteraka ny lohan’ilay tra-doza. Tonga nijery ny zava-nisy ny polisy, nisokatra ny famotorana. Teo no ho eo ihany, nalefa eny amin’ny biraon’ny polisy natao famotorana ilay mpamily ny fiarabe sy ilay mpitondra moto. Tokony ho tamin’ny 4 ora sy 20 minitra teo, naka ilay vata-magantsiaka ny tomponandraikitra avy ao amin’ny BMH. Taorian’izay, nalefa eny amin’ny HJRA izany. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola fantatra ny mombamomba ilay maty. Ao ireo milaza fa raim-pianakaviana 40 taona izy. “Tsy mponina eny amin’ny manodidina izy ary mpanao taksi-bisikileta eny amin’ny fasan’ny karana eny”, hoy ny filazan’ny olona.

Henintsoa Hani

Partager sur: