Anisan’ireo nanamarika ny tsingerin-taona faha-76 ny 29 marsa 1947 ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Niaraka nankalaza izany tetsy amin’ny tsagambato fahatsiarovana Ambohijatovo ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ireo lehiben’ny Andrimpanjakana sy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Teo koa ireo manamboninahitra sivily sy miaramila ary ireo olo-manan-kaja. Lohahevitry ny fotoam-pahatsiarovana : «Tolom-panafahana firaisankina ho an’ny fitiavan-tanindrazana».
Nomarihina tamin’ny fametrahana ny fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato izany. Teo ny avy amin’ny Fifanampiana Malagasy, ny Vondron’ny Malagasy tia tanindrazana, ny solontena avy ao amin’ny fiarovam-pirenena… Ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Nametraka ny anjarany koa ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo sy ny filohan’ny filankevitra monisipaly. Ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta.
Mitondra ny teny fisaorana amin’ny anaran’ny Tanànan’ Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ho an’ireo tonga nanome hasina sy voninahitra izany.
Synèse R.