Fivato : “Miteraka fahantrana ny kolikoly”

“Misy manao resaka mi­hodinkodina. Ireo tsy te hiala amin’ny kolikoly no tena manao an’izay hoe: tsy afaka ny kolikoly, raha mbola firenena mahantra. Diso izany. Ny kolikoly no miteraka ny fahantran’ny firenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana va­tana tomady (Fivato), Radim­bie­lson William, manoloana ny ady amin’ny kolikoly.
Tsy noharian-Janahary ha­hantra i Madagasikara. Ha­rena be dia be eto. Saingy eo ny kolikoly mianjady, indrindra ny miainga amin’ny kolikolim-pifidianana: raha vao ny mpitondra no voafidy amin’ny alalan’ny kolikoly, tsy afa-miady amin’ny kolikoly. Lasa mihamahantra ny firenena amin’izany, satria voahodinkodina avokoa ny fananam-bahoaka, tokony hositrahany.
Raha mbola vola no mahalany : tsy maintsy manao ko­li­koly izay voafidy amin’ny alalan’ny kolikoly ary tsy afa-kiady amin’izany. Rehefa misy fiantraikany amin’ny vahoaka izay, mahantra ny vahoaka dia lasa mora andairan’ny kolikoly.

Mandaitra ny kolikoly ny fahantrana

Nefa ny kolikoly vaventy no resahina, mahatonga ny harem-pirenena tanisaina isan’andro hoe manankarena i Madagasikara. Nefa fahantrana no eto. Lasa tari-drano ankilahila ny harem-pirenena. Vitsy an’isa no misitraka izany, manao asa tsy manjary sy manao kolikoly avo lenta mifehy ny mpitondra ambony. Lasa tsy mahatanteraka ny adidiny intsony ny fanjakana, tsy mahavita mandoa ny karama isan-karazany na ny adidy aman’andraikitra tokony hosahaniny rehefa tsy ampy ny enti-manana. Mitarika fahantrana hatraty ambany, izay mora andairan’ny kolikoly.

R. Nd.

Partager sur: