Governoran’ny faritra Betsiboka : “Manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana izahay”

“Manohitra ny fanovona ny lalàm-pifidianana izahay”, hoy ny governoran’ny faritra Betsiboka, Randrianjafi­nin­drina Jean-Roger. Manaitra an-dry zareo ny fanambaran’ny sasany hoe tokony horavana ny HCC sy ny Ceni, hovaina ny lalàm-pifidianana. Nefa efa lalàm-pifidianana nanatanterahana fifidianana nahavoafidy ny filoha Rajoelina, taona 2018, io. Tsy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no nametraka an’io lalàm-pifidianana io, fa efa nisy ary neken’ny fitondrana teo aloha.

Tsy tokony ho izany ny adihevitra eto, fa ny hoe: ahoana no tokony hijerena sy hifanarahana hanatsarana sy hahatomombana ny lisi-pifidianana? Izany no hita fa nisy lesoka teo aloha. Izay koa no hahazoana mijery izay hisian’ny filaminana mandritra sy aorian’ny fifidianana.

Manainga ny mpitondra mba hanatsarana ny lisi-pifidianana miaraka amin’ny Ceni. Efa manao an’izay ny fitondram-panjakana amin’izao. “Mahatsapa izahay fa tokony handeha ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Mano­hana ny fitondrana izahay, ary manohana 100 % ny filoha Rajoelina raha hirotsa-kofidina izy”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: