Judo-Fifaninanam-pirenena : hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo.

Hitiliana ireo mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, ity fifaninanam-pirenena ity. Ara­ka ny efa fantatra, eto Ma­dagasikara no hatao io fiadiana ny tompondakan’i Afrika io. Na izany aza, hifaninana avokoa ny sokajy rehetra, fa tsy ny Cadets sy Juniors iha­ny. Hisy, araka izany, ny fifaninanana ho an’ny sokajy Minimes, Seniors, Kata ary Vétérans. Anisan’ny hifantenana izay hiatrika ny fampivondronana hanomanana ny lalaon’ny Nosy ihany koa amin’io fotoana io, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny fe­derasiona malagasin’ny Judo. Dingana farany hijerena ireo atleta tena mendrika io fifaninanam-pirenena io, raha ny nambarany.
Manodidina ny 400 mahery eo ny mpikatroka andrasana handray anjara amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Andrandra­i­na ny fahatongavan’ny solontena avy amin’ny ligim-paritra 8 manerana ny Nosy. Hiditra avy hatrany amin’ny fampivondronana ireo atleta hiatrika ny lalaon’ny Nosy ny federasiona aorian’ny fifaninanana. Antony nampandrosoana ny daty mantsy ny fanomanana ny JIOI, izay hatao eto Madagasikara, ny volana aogositra izao. Raha ny mahazatra isan-taona, faramparan’ny taona foana ny fanatanterahana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly.
Hifanao fotoana eny amin’ ny kianja mitafon’Ankoron­drano, araka izany, ireo judokas malagasy efa fanta-daza hatramin’izay. Tsy manakana ireo izay mpikatroka vao mi­sandratra ihany koa anefa izany.

Mi.Raz

Partager sur: