Kitra frantsay : mety hijanona ao amin’ny PSG i Messi

Araka ny vaovao navoa­kan’ny Espaniola, omaly, mety hitohy hatramin’ny taona 2024 ny fifanarahana eo amin’ilay mpanjakan’ny baolina kitra arzantinina, Lionel Messi sy ny klioba frantsay Paris Saint Germain (PSG). Marihina fa tapitra amin’ny volana jona 2023 ny fiombonan’ny roa tonta. Tsiahivina fa tonga tao amin’ny PSG tamin’ ny volana aogositra 2021 lasa teo i Messi, ary nahatafiditra baolina 18 sy nahavita tolotra 17 nandritra ny lalao rehetra nataony tamin’ity taom-pilalaovana 2022-2023 ity. Araka ny fanazavana nataon’i Nasser Al-Khelaïfi, filohan’ity ekipa frantsay ity, efa miezaka mitady ny fomba rehetra hitazonana an’i Messi izy ireo hatramin’izao. “Miteraka fahatsarana ho an’ny klioba PSG, raha manohy ny fifanarahana i Messi”, hoy ity lehiben’ny PSG ity.
Tsiahivina fa tsy tafakatra teo amin’ny lalao ampahefa-dalana amin’ny “Ligues des Champions” mihitsy i PSG, hatramin’izay nahazoan’izy ireo an’i Messi ary mahazo fanakianana foana ny tenany momba izany.
Noho izany, miandry ny filazana ofisialin’ity fifanarahana vaovao ity ny rehetra.

Messi hilalao amin’ny MLS

Raha ny siosion-dresaka mandeha dia mety hifindra lasy any Etazonia amin’ny fifaninanana “Major League Soccer” (MLS) i Messi, aori­an’ny taona 2024. Rehefa vita ny Mondial 2026, izay hotontosaina any Etazonia sy Mek­sika ary Kanada, azo heverina fa hamarana ny filalaovany amin’ny sehatry ny baolina kitra matihanina i Messi.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: