Hanao ahoana ny ho tohin’ny fakan-kevitra hanatsarana ny zotram-pifidianana? Samy miaiky ny maha zava-dehibe izany ireo mpiantsehatra, samy manaiky ny tokony hanohizana azy. Ho hita eo… Na ahoana na ahoana, politika io: tsy ilaozan’izay paipaika sy kajikajy. Arakaraka ny fifandanjan-kery, ny fivoaran’ny toe-draharaha, ny tanjona kendrena. Tena izay hisian’ny filaminana sy fitoniana amin’ny fanatanterahana fifidianana izay ve, ohatra, no mahamaika sy zava-dehibe amin’ny rehetra? Na iombonana sy mampiombona…
Kibo mitsara tena amin’izay lazainy sy ataony ary kendreny ny tsirairay. Na izany aza, misy hatrany ny sasany manao fitan-droa: miomana hiatrika fifidianana, fa tsy manao ambanin-javatra na ambin-javatra koa ny mety hisiana na fanahiana korontana mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Ady fiady? Misy mihevitra na mitompo teny fantatra fa tsy hilamina ny zotram-pifidianana, raha tsy tanterahina, hono, itsy na iroa. Tsy inona fa ny fitakiany, arakaraka ny kajikajiny sy ny paipaika politikany. Ho tonga hatraiza?
Ao anatin’izay fitakiana efa ho lava izay, ohatra, ny hoe fanovana ny firafitra sy ny mpikamban’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana fifidianana (Ceni). Eo koa ny fanovana ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Tonga hatramin’ny fitakiana ny fanitsiana lalàm-pifidianana sy lalàmpanorenana aza ny sasany, fa izay no hahazoana mikitika ny lalàna momba ireo rafitra na andrimpanjakana mpikarakara sy mpikirakira fifidianana manahirana azy. Tsy fahatokian-tena no antony?
Nefa tsy ho vita amin’izao izay fikitihana lalàna izay, fa hoe mila fikaonandoham-pirenena. Tsy inona fa fandehanana amin’ny fitondrana Tetezamita: fizarana seza, fiaraha-mitantana. Tsy maintsy handeha amin’izay ve ny zotram-pifidianana vao hihatsara, hilamina, azo antoka… ? Tsy misy ve, ohatra, ny dingana sy fomba hafa hahazoana manatsara ny zotram-pifidianana toy izay efa natomboka tamin’ny fakan-kevitra? Mba tsy havoaka ety ivelany na hampidinina an-dalambe ny adihevitra, rehefa tsy vita sy tsy voalamin’ny samy mpisehatra politika any an-dapa na any anaty trano hafa.
Hanao ahoana ny fiainam-bahoaka raha izao, sanatria, no mbola hidirana amin’ny hoe korontana politika hitadiavana Tetezamita eny an-dalambe?
R. Nd.