Miandrivazo -Tsaramaso : ireo mpanangom-bokatra no manapaka

Vokatra iray mampalaza ny faritra Menabe ny tsaramaso hatramin’izay. Anisan’ny nanohana ny famokarana ny AD2M*, ka nitombo ny vokatra tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, saingy tsy betsaka mpanangom-bokatra , araka ny voalazan’ny mpamboly sasany.
Tsara ny masomboly no­za­raina tamin’ireo tantsaha. Raha nisy nampiasa masomboly 150 kg teo aloha nahazoana 500 kg, amin’izao fotoana izao 60 kg mamoaka vokatra 2 t mahery. Ny fomba fambolena vaovao nomena ireo tantsaha ireo no nampihariny ka nampahomby azy. Mampihena betsaka ny masonkarenan’ny tantsaha koa izany, hoy ny AD2M.
Nisy velaran-tany mihitsy nampianarana ireo mpamboly hanaraka ny teknika fambolena tsaramaso. Nahitana izany, ohatra, tany Anosimena, iray amin’ireo kaominina mpamokatra tsaramaso betsaka in­drindra ao Miandrivazo. Nahomby koa teo amin’ny famokarana ny kaominina Andranomainty.
Resy lahatra ny tantsaha amin’ny fampiharana teknika vaovao momba ny fambolena tsaramaso, mba hampitombo ny vokatra. Saingy ny olana eo amin’ny mpamboly sy ny mpanangom-bokatra. Ny tsaramaso maina any am-potony tamin’ny taon-dasa nahatratra 3000 Ar ny kilao, tsy nety nividy intsony ireo mpandraharaha. Amin’izao fotoana somary nidina kely ny vidiny ambongadiny eo anelanelan’ny 2500 Ar sy 2700 Ar.
Tsiahivina fa efa nanondrana tsaramaso fotsy sy mena i Madagasikara tany amin’ny taona 90, nefa nihena tsikelikely izany teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny vokatra avy aty an-toerana tsy dia tsara loatra ny kalitaony sy ny habetsahany, raha oharina amin’ny vokatra avy any Amerika atsimo.

Ndrina
AD2M *: Appui au développement du Menabe et du Melaky

Partager sur: