Misaona ny tontolon’ny taranja Volley-ball malagasy. Nodimandry, omaly, Rakotomalala Elysé na i Lily no anarana nahafantaran’ny maro azy, teo amin’ny taranja volley. 55 taona i Lily izao nindaosin’ ny fahafatesana izao, rehefa tojo tsy fahasalamana ny tenany nandritra ny fotoana vitsy.
Anisan’ny nitondra anjara biriky maro teo amin’ny Volley-ball izy fony fahavelony ary mbola nankafy ity taranja ity foana, na dia efa tsy nilalao intsony aza taty aoriana.
Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy izy nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-3, natao teto Madagasikara, ny 24 aogositra hatramin’ny 2 septambra 1990. Andrin’ny ekipa malagasy nandritra ny taona maro Itompokolahy Lily, tao amin’ny klioban’ ny ASPTT Toliara no nilalaovany hatramin’ny taona 2000. Naneho ny fiaraha-miory ny fianakaviamben’ny volley-ball malagasy. Izahay ato amin’ ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian-dRakotomalala Elysé.
Mi.Raz