Natao ny sabotsy 11 marsa teo ny fanonerana vola farany, nataon’ny orinasa QMM ho an’ny mpanjono sy ny mpampiasa ny harena voajanahary any Taolagnaro. Miisa 5.342 izy ireo no nahafeno ny masontsivana, niarahana nametraka tamin’ny fomba tsy mitanila tamin’ny alalan’ny vaomiera iombonan’ny roa tonta, notarihin’ny faritra Anôsy. Mitotaly 11 miliara Ar izany vola izany. Hita ao anatin’ity vaomiera ity ny solontenan’ny mpitaraina, ny raiamandreny ara-drazana, ny firaisamonim-pirenena, ny fitantanam-paritra ara-teknika samihafa voakasika.
Voakasik’izany ny mpanjono any Hovatraha, Andranokona, Andrakaraka sy Ampanihy ary kaominina Ampasy Nahampoana sy Mandromondromotra. Eo koa ny mpampiasa ny harena voajanahary any amin’ny faritr’i Mandena.
Nomen’ny orinasa QMM fiofanana koa ireo mpisitraka hahay hihary, hitantana ary hampiasa ny vola azony. Nilaza ny tomponandraikitra iray ao amin’ny QMM fa nandritra ny fito herinandro ny fandoavana ny vola, natao anatin’ny mangarahara tanteraka.
Njaka A.