Mpilalao teratany malagasy, mila ravinahitra ao Frantsa, Rasolofoson Marion Fitia. Ao amin’ny ekipan’ny Flammes Carolo izy no milalao. Ekipa anisan’ny sangany ao Frantsa ity ekipa misy an’i Marion ity. Miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Frantsa, taranja basikety, i Marion sy ny ekipany amin’izao fotoana izao ary tafakatra famaranana izy ireo. Ny 22 avrily izao ao amin’ny Accor Arena ao Paris no hanaovana izany lalao famaranana izany. Ny ekipan’ny Bourges no hifanandrina amin’ny Flammes Carolo, araka ny fandaharan-dalao. Tsiahivina, mpilalao andrin’ny Ankoay, Rasolofoson Marion Fitia, izay niatrika ny Afrobasket U18, natao teto Madagasikara, ny taona 2022. Teo amin’ny laharana fahefatra no nisy ny Ankoay vehivavy tamin’io fifaninanana io ary i Marion no anisan’ny mpilalao mendrika sy nampidi-baolina betsaka indrindra, niaraka tamin-dry Kristina sy ry Anissa ary ry Taratra. Mampitombo ny traikefany i Marion ary miezaka hatrany manatsara ny teknika hampisongadina azy. Mbola vonona ihany koa izy hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny fifaninanana goavana hatrehan’ny ekipa malagasy, eo amin’ny taranja basikety.
Mi.Raz