Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana: manampy ny Fnuap amin’ny fiahiana ny vehivavy marefo i Etazonia

Mifarimbona ny  tahirim-bolan’ny firenena mikambana momba ny mponina (UNF PA) eto Madagasikara ùiaraka amin’ny tohana ataon’i Etazonia amin’ny fanampiana ireo vehivavy any amin’ny faritra Atsimo sy Atsi­mo Atsinananan’i Madagasi­kara.
Miatrika haintany sy rivodoza ireo vehivavy ireo ary marefo amin’ny lafiny maro. Hisitraka fanampiana ho fisorohana sy fanohanana ny fa­nararaotana ara-nofo ihany koa izy ireo.
Ny sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) dia nanome famatsiam-bola mitentina 2 tapitrisa dolara ho an’ny UNFPA izay miasa eo anivon’ny distrika 12.
Ny distrika tsirairay dia niaina loza voajanahary mi­verimberina izay nanimba ny vokatra ara-pambolena sy ny fivelomana ary nampihena ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana fototra.
Ireo toe-javatra ireo dia matetika mitarika disadisa sy herisetra ao an-tokantrano, fampanambadiana zanaka aloha loatra, tsy fahampian’ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, ary mitarika indrindra ireo renim-pianakaviana handray fepetra tsy fidiny mba hamelomana ny zanany.

Am-perinasa ny Clinique Mobile
Nividy toeram-pitsaboana “Cliniques mobiles” miisa telo ny UNFPA mba hisorohana ny herisetra mifototra amin’ny lahy sy ny vavy ary ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo. Olona maherin’ny 100.000 no hisitraka fitsaboana amin’ny alalan’ny “Clini­ques mobiles”, anisan’izany ireo olona manana fahasembanana maherin’ny 2.500.
Ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy ny ma­havavy ary ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo dia mijanona ho laharam-pahamehana lehibe, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy atahorana hiharan’ny herisetra”, hoy i Miranda Tabifor, solontena mpisolo toerana eo anivon’ny UNFPA eto Mada­ga­sikara.
Hapetraka any amin’ireo vondrom-piarahamonina lavitra tobim-pahasalamana ireo mba hanome tolotra ara-potoana sy tena ilaina ho an’ireo mponina ireo mba hiantohana ny zo fototra ho an’ny rehetra.”
Hanitatra ny fiofanana ho an’ny manampahefana eo an-toerana momba ny fisorohana ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo ny tetikasa. Olona maherin’ny 19.000 no efa nahazo ireo tolotra ireo, anisan’izany ny fandrindrana fiainam-pianakaviana sy ny fanondroana izay ahafahan’ireo niharam-boina hianatra ny zony sy ny fidirana amin’ny tolotra manome fiarovana amin’ny fanararaotana ankapobeny sy ara-nofo.
Amin’ny faran’ny taona 2023, ny UNFPA dia manantena ny hahatratra 170.000 mahery amin’ireo olona 2,23 tapitrisa any amin’ny faritra iasan’ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: