Fitakiana vatsim-pianarana : vao nikasa hanao fitakiana dia nilamina

Ny alakamisy teo, nikononkonona fitokonana ireo mpianatry ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Na­melatra sora-baventy sy efa nitangorona nifanentana ireo mpianatra tao an-toerana. Vao hitan’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eo amin’ny fitantanana ny oniversiten’ i Toamasina anefa izany dia nitady vahaolana izy ireo. Nifampiresaka hain­gana ny teo anivon’ny fitantanam-bola sy ny fampitaovana nitady vahaolana handravonana ny fitokonan’ny mpianatra.
Nanome toky fa tsy haharitra 48 ora dia hivoaka ny fandoavana vatsim-pianarana. Eo amin’ny fikirakirana ny antontan-taratasy izao no sisa fa efa ao ny vola. Nila­mina ny toe-draharaha izay efa nokononkononina hatramin’ny fiandohan’ny herinandro teo.
Marihina fa vatsim-pianarana mandritra ny 5 volana no takian’ireo mpianatra sy anaovany fanairana izao.

Sajo

Partager sur: