“An-dalana amin’ny fanontana ny lisitra vonjimaika ny Ceni amin’izao. Izay no nampiasana ny rindrambaiko sy nanaovana fitsirihana. Hitany amin’ny antsipiriany izay” , hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena frankofonia (OIF) ny amin’ny fitsirihana natao teny anivon’ny Ceni.
Momba ny anarana miverina: hita ny fisian’ny anaran’olona mitovy, laharam-panondro mitovy. Saingy tsy mitovy manomboka eo amin’ny daty nahaterahana. Olona roa samy hafa izany. Ny anaran’ny ray aman-dreny tsy mitovy: olona samy hafa koa izay. Nefa misy olona tena mitovy, raha misoratra amina toerana roa samy hafa ny olona iray. Mety ilay olona no manam-piniavana hisoratra anarana indroa, na misy fahadisoana tamin’ny fandraisana tao anatin’ny ordinatera teny anivon’ny distrika. Nanaovan-dry zareo fanamarihana kosa ny fisian’ny olona tsy misy daty nahatarehana feno fa hoe “vers” fotsiny dia manaraka ny taona. Eo koa ireo tsy misy famaritana mazava hoe lahy sa vavy ilay olona.
Tsy misy sakana amin’ny fifidianana
“Na izany aza, tsy misy akony ratsy eo amin’ny tontolon’ny fizorana amin’ny fifidianana izany rehetra izany, satria azo atao ny manarina azy”, hoy izy. Efa nahita ny ampahany amin’ireo voalaza ireo ny Ceni, ary nanomboka nanarina izany. Naverina tany amin’ny fokontany ireo anarana tsy mazava, na tsy feno ny mombamomba ny olona…
Manomboka amin’ny 10 avrily, hivoaka ny lisitry ny mpifidy vonjimaika. Anentanany ny rehetra amin’ny fanaovana fanaraha-maso izany: tafiditra ve ny anaran’ny tena, raha nisoratra anarana? Raha tafiditra ao anatin’ny lisitra, marina sy feno ve ny momba ny tena sa tsia? Entaniny koa ny olom-pirenena tsy mbola nisoratra anarana. Hatramin’ ny 31 mey ny fahazoana misoratra anarana, ankoatra ny fanaovana fanamarihana.
Tsy ny rindrambaiko amin’ ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ihany no nanaovan’ny OIF fitsirihana. Nojereny aloha ny didy aman-dalàna isan-karazany sy ny firafitry ny Ceni amin’ny ankapobeny hatrany amin’ny rantsamangaika. Notombanana, izay mety ho sakana amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy nisy fanamarihana ny amin’izay.
R. Nd.