Taorian’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Organisation internationale de la Francophonie (OIF), ny volana desambra lasa teo, nisy ny tetikasa ezaka fizarana kopia faobe maimaim-poana ho an’ny ankizy 1 volana hatramin’ny 17 taona eny anivon’ny fokontany. Kopia 12 000 no tanjona hozaraina amin’izany eny anivon’ny boriborintany enina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, amin’ny fitsinjovana manokana ireo ankizy izy ity. Ny boriborintany fahefatra sy faharoa no hisitraka izany. Talohan’ny fanangonana ny antontan-taratasin’ireo ankizy tsy manana kopia, nisy fanadihadiana natao sy fitsidihana ny tokantrano teny amin’ny fokontany. Notanterahina, omaly, teny amin’ny biraon’ny boriborintany fahefatra Anosy ny hetsika fitsarana ny kopia faobe efa nahazoana antontan-taratasy teny anivon’ny fokontany. 1 400 ireo taratasy voaangona, 1 000 avy ao amin’ny boriborintany fahefatra ary ny 400 kosa avy amin’ny boriborintany faharoa. 22 fokontany no hisitraka fizarana kopia faobe ao amin’ny boriborintany fahefatra. Mbola hisy andiany faharoa ny hetsika.
Vonjy