Hatsikana : mitohy ny hetsiky ny Komedy Club

Tontosaina anio eny amin’ ny Kinga Mahamasina, ny seho an-tsehatra hatsikana “Désactivé”, “Two men show”. Ny Komedy Club no mikarakara ny fampisehoana ary Orima Sarobidy sy Fa­litianakely no hiray sehatra ao anatin’izany. Ny karazana hatsikana “Stand up” no haseho mandritra ny fampisehoana. Natao ho an’ny rehetra sy sahaza ny rehetra ny fampisehoana. Atao izao hetsika izao ho fampiroboroboana ny ha­tsikana eto Madagasikara, indrindra ny Stand Up.
Mitohy hatrany ny hetsiky ny fikambanana Komedy Club. Taorian’ny fampisehoana niarahana tamin’i Samia Orosemane sy ny ekipan’ny Gasy Stand Uppers, hisy indray ny “Two men show”, amin’ity anio ity. Samy haneho ny mampiavaka azy izy mirahalahy mpandray anjara, mandritra ny hetsika. “Hisy hatrany ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’ny fanatrarana ny vina ny amin’ny fampiroboroboana ny hatsikana eto Madagasikara. Natao izany ho fampitomboana ny traikefan’ny mpanao hatsikana malagasy, eo ihany koa ny fanampiana ireo vao misandratra.” hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanana Komedy Club.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: