Herisetra… politika

Milaza miara-mahita sy miara-miaina? Mihamafy sy mihasarotra hatrany ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa; ny fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, indrindra ny vidim-bary; ny tsy fisian’ny asa azo antoka sy mahavelona ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora… Manginy fotsiny ny ady tany mampisaritaka an-toerana, ny karazana fisolokiana sy fanambakana, ny tsy fahazoana antoka ny ho avy sy izay hiseho… Karazan’ny miaina fe (fa hoe) tsy maty ny maro amin’izao? Na rehefa tsy maty dia izay, fa fitanana fahavelomana sisa no atao.
Ekena, laharam-pahamehan’ny fitondrana amin’izao ny sosialim-bahoaka. Mby aiza? Kibo mitsara tena ny tsirairay, ny isan-tokantrano… Tsy takona afenina koa, misy ny mandika sy mamadika izany ho politika. Tandindomin’ny fifidianana? Lasa politika na misy antony sy dika ary vokatra politika ho azy izay mitranga sy atao rehetra. Vao mainka mampanahy sy manahirana, raha tsy sorohina sy voatandrina. Tsy efa nisy ve, ohatra, ny nanampatra ny alahelo sy ny hatezerany amin’ny fiatrehana ny asa famokarany sy ny fivelomany? Tany amin’ny olona misalotra ny loko politika tsy tiany tojo azy no nanjerany izany. Kisendrasendra?
Zava-doza raha olom-pirenena tsotra no sahy sy mahavita toy izany: herisetra, heloka. Hisy hilaza izany ho politika ho azy? Na ny politika no hanaovana herisetra sy heloka, na ny fanaovana herisetra sy heloka no lazaina sy hamarinina ho politika… Ho avy amin’izay ny mpanararaotra mpilalao politika hanamarina sy hitompo teny fantatra fa izay ilay hoe fanahiana korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana; eny, na lonilonim-piainana tsotra aza no mety antony sy fototry ny trangan-javatra mety hiseholany etsy sy eroa na mety hovolen’ny sasany ihany koa.
Sanatria, toy ny mivady miady ny raharaha? Tsy foy na tsy vita ny mamono mivantana ny vady, any amin’ny entana ao an-tokantrano no hanamparana ny alahelo sy ny hatezerana. Hanao ahoana raha tonga amin’izany ny fiatrehan’ny sasany ny fahasahiranam-piainana? Mihamafy sy mihasarotra mbamin’ny fisorohana sy famahana olana… Mila jerena? Na tsy azo atao ambanin-javatra na ambin-javatra…

R. Nd.

Partager sur: