Kaomisaria 67ha : lehilahy tratra nangalatra findaina polisy

Lehilahy iray no tra-tehaka nangalatra findaina polisy tao amin’ny biraon’ny kaomisaria 67ha, afakomaly. Tonga namonjy ny biraon’ny polisy toy ny olon-drehetra ny tenany. Noraisina sy nomena seza izy ary nampiandrasina noho ny hamaroan’ny olona. Tsy lavitra azy teo, nisy telefaonina ana polisy nipetraka teo ambony latabatra ka dia nanararaotra naka izany ity lehilahy ity. Hitan’ireo polisy tao amin’ny birao ny fihetsiny ka dia noraisim-potsiny ity saika hitoroka asa ratsy ity. Teo no ho eo ihany, natao fanadihadiana ilay lehilahy ary hiatrika fampanoavana tsy ho ela. Ity vao tonga amin’ilay fiteny hoe eny am-baravaran’ny mpamosavy no manoko sikidy.

Henintsoa H.

Partager sur: