Taorian’ny fahombiazan’ ny andiany voalohany Atsimondrano Champions League (ACL), taranja baolina kitra, hiditra amin’ny faharoa indray ny fifaninanana, karakarain’ny Atsimondrano Action Sport sy ny solombavambahoaka, Ratsivahiny Andry. Nampahafantarina omaly zoma, tetsy Mahamasina, izany. Tsy miova ny loka hozaraina fa hitentina 10 tapitrisa Ar ihany. 78 ireo ekipa hiady ny 4 tapitrisa Ar, ho an’ny ekipa tompondaka.
Nioty vokatra tsara ny andiany voalohany satria lasa D1 mifaninana eto Analamanga, ny Ste Anne Bongatsara, nandrombaka ny ACL 2022. Miisa 26 ireo kaominina miatrika ity fihaonana ity, mitsinjara ao anatin’ny faritra roa “A” sy “B”. Zava-baovao, ny fisian’ny fiofanana ho an’ny mpitantana sy mpanazatra, hatao eny Carion. Nohamafisin-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Orange Pro League (OPL) fa Atsimondrano no hany distrika nahatafavoaka mpilalao lafo vidy indrindra dia i Rakool. Hotsinjaraina hanampiana ireo ekipa mifaninanana, ny ampahany amin’ny vola fifindran-toerany, any Algerie.
Toy ny mahazatra, hifanintsana any amin’ny faritra misy azy avy ireo ekipa 78, ka hahazo 2 tapitrisa Ar ny voalohany. Hiatrika ny dingana famaranana ireo ekipa 16 tafavoaka isam-paritra. Ny 7 mai, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny kianja Ambohimamory. Ny 2 septambra ny “Poule des As” ka tsy ekipa 4 intsony fa nampitomboina ho 8. Hisy ny ampahefa-dalana sy ny manasa-dalana ary ny 17 septambra ny famaranana. Misokatra ho an’ ny rehetra ny fifaninanana saingy voamarina tsara fa mipetraka ao Atsimondrano. Mpilalao 3 ao amin’ny “Pro league” sy 4 ao amin’ny D2, ihany no mahazo miakatra eny ambony kianja.
Torcelin