Notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA) hitondra ny ekipam-pireneny (Club M) Rasoanaivo Fidy. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy teknisianina malagasy hanazatra ekipam-pirenena vahiny.
Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra no nisy Malagasy hitondra ekipam-pirenena vahiny. Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, nivoaka omaly zoma, notendren’ny federasiona maorisianina ny baolina kitra (MFA), hitondra ny Club M Rasoanaivo Fidy. “Hiezaka hampiakatra ny Club M amin’ ny fifanintsanana Can ny tanjoko” hoy izy.
Marihina fa mipetraka any amin’ity Nosy rahavavy ity i Fidy. Tsiahivina fa nanazatra ny klioba ASPL 2000 izy nialoha izao nanendrena azy izao. Handimby an’i Tony François i Fidy Be. Olona tsy zoviana amin’ny rehetra i Fidy satria mpilalaon’ny FC BFV, niatrika ny manasa-dalana, niadiana ny amboaran’i Afrika, ny taona 1986. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy (Scorpion) nanomboka ny taona 1993 – 1999. Vodilaharana afovoany ny toerana nisy azy teny ambony kianja. Ny famonoam-baolina amin’ny loha sy ny fahaizana mandaka “coups franc” no tena nampalaza azy.
Zanak’i Etienne Rasoanaivo, irakiraka tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny taona 60 sy 70. Rahalahin’i Titi mpanazatra ny CFFA sy i Rado, tale teknika nasionaly. Tao amin’ny ekipan’ny JSM Mandrangobato, nipoirany ary nifindra tao amin’ny FC BFV, ny taona 1985.
Nifindra monina tatsy Maorisy
Ny taona 1995, nilalao tao amin’ny Sunrise SC Maurice i Fidy Be. Maro ireo ekipa nilalaovany tany ka nahatonga azy hipetraka any hatramin’izao. Nanomboka nanazatra voalohany tao amin’ny Olympique de Moka (OM), ny taona 2000-2001. Nantsoina ho mpanazatra mpanampy tao amin’ny Club M 2001 – 2003, taorian’io nanatevina ny ekipa teknikan’ny US Beau Bassin Hill ny 2009-2011. Efa nandrafitra ny “staff” ny Barea, ny taona 2011. Niverina namolavola ny ekipa AS Port Louis ny 2011-2012. Nifindra tao amin’ny Curepipe Starlight SC ny 2012-2015. Nitantana ny Pamplemousses SC ny 2015-2017 ary izao nantsoina ho mpanazatra voalohany ny Club M, izao.
Fitia
(Mpianatra asa)