Nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly, tao amin’ny TVM fa mandala ny demokrasia sy malalaka amin’ny fanehoan-kevitra, amin’ny sehatra rehetra isika. Na izany aza anefa, nilatsaka ny fepetra noraisin’ny fanjakana nanomboka, omaly.
“Omena malalaka ireo mpanao politika amin’ny famoriam-bahoaka sy hetsika politika tiany hatao rehetra. Tsy maintsy anaty efitrano anefa izany”, hoy izy. Nanteriny fa mila fitoniana ny vahoaka ary eo koa ny fametrahana filaminana sy ny fandriampahalemana. Noraisina kosa ny fepetra amin’ireny hetsika an-dalambe na eny an-tsena ireny. Voalazany ho manohintohina ny andavanandron’ny mponina sy ny fifamoivoizana izany. “Tsy mbola any amin’ny propagandy isika amin’izao fotoana izao”, hoy izy.
Malalaka amin’ny famoriam-bahoaka ny mpanatanteraka
Notsindriny fa mihatra amin’ny antoko politika rehetra izany fepetra izany : na mpanohitra na mpomba ny fitondrana. Tahaka izany koa ireo depiote. Afaka manao tatitra amin’ny vahoaka koa saingy tsy maintsy anaty efitrano izany. “Mitovy avokoa ny fampiharana izany ho an’ny rehetra”, hoy ihany izy. Tsy maintsy maka alalana amin’ny tompon’andraikitra ireo hanao hetsika anaty efitrano.
Etsy andaniny anefa, tsy tafiditra ao anatin’izany ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka noho izy ireo hampihatra ny politikam-panjakana sy ny fampandrosoana ary ny asa sosialy. “Mihaona mivantana sy mifanakalo hevitra ary manome vaovao ny vahoaka ka tsy sakanana ary malalaka amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra”, hoy ny minisitra.
Synèse R.