Noho ny ora-mikija: olona 9 maty nirodanan’ny trano

Toy ny vara-datsaka ! Olona sivy indray namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny trano tetsy Behoririka sy Ampasika manamorona ny fefilohan’Ikopa, omaly maraina.

Nampihoronkoditra! Ankoatra ireo mpirahavavy namoy ny ainy, olona telo hafa maty vokatry ny fianjeran’ny trano lehibe iray nisy rihana telo tetsy Behoririka, omaly ta­min’ny 4 ora maraina. Na-haray antso ny eo anivon’ny sampana mpamonjy voina tamin’ny 4 ora sy 21 minitra, araka ny nambaran’ny lehibeny, ny Kly Razafimanahaka Tiana. Minitra vitsy, tonga teny an-toerana izy ireo. “Olona telo no afa-nivoaka ny trano nirodana ka velona soa aman-tsara”, hoy izy.
Raikitra ny fikarohana ireo tavela tototry ny tany. Tamin’ny 5 ora maraina, olona efatra nalefa nihazo ny hopitaly. Hita tamin’ny 7 ora maraina ny vatana mangatsiakan’i Christiane sy i Diane. Mbola tanora vao erotrerony ireto mpirahavavy ireto izao namoy ny ainy izao. Mana­raka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny renin’izy ireo sy ny anadahiny. 14 ireo olona nonina tao anatin’ity trano tra-doza ity. “Nipetraka tao amin’ny rihana ambony in­drindra ny tompon-trano ary mpanofa ny ambiny”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny fo­kontany Behoririka, Razaia­rivelo Lucie. Olona roa hafa koa tsy avotra intsony ny ainy. Ny tolakandro, hitan’ny mpamonjy voina ny raim-pianakaviana iray sisa tavela saingy efa tsy nisy aina intsony. Vokany, tafakatra dimy ireo namoy ny ainy. Avotra soa aman-tsara kosa ireo olona sivy hafa. Anisan’izany ilay zazakely vao amam-bolana. Niara-tafavoaka tamin’ny re­niny io zaza io raha toa ka nanavo-tena ny rainy.

Efa nahazo didy fandravana
Telo taona lasa, efa na­moahan’ny lehiben’ny distrika didy fandravana ity trano tetsy Behoririka ity. Efa nidina ifotony hatramin’ny mpamonjy voina saingy nisy olana teo amin’ny tompon-trano sy ny mpanofa ka tsy tanteraka ny fandravana, araka ny fanamafisan’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana. Tsy nisy nipetraka intsony, noho izany, tao amin’ny farany ambany amin’ity trano nitera-doza ity, sisa nipetrahana ireo rihana tany ambony. Nangataka didy tsy handravana io trano io koa ny tompony ka vao mainka nanano sarotra ny fandravana izany. “Efa nifampiantso matetika tamin’ny mpamonjy voina mihitsy izahay fokontany”, hoy hatrany ny lehiben’ny fokontany Behoririka.

Niara-maty ny reniny sy ny zanany telo
Ankoatra io teo Behori­rika io, indray namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny trano koa ny efa-mianaka tetsy Ampasika, manamorona an’Ikopa, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma ihany. Tsy tao an-trano ny raim-pianakaviana. Nikija ny orana ka tsy nisy nanampo na inona na inona ireo tao an-trano. Tafo tanimanga anefa ny trano ka nirodana tao anatin’ny segondra vitsy. Poa toy izay, hatairana ny an’ilay vavimatoa ka tafavoaka ny trano. Tavela ny reniny sy ireo zandriny telo. Ireto farany izay namoy ny ainy avokoa.

Tsiferana R.

Partager sur: