Raharaha halatra fitaovam-piadina: hita nisitrika tany anaty ala ireo basy nangalarina

Andro vitsy taorian’ny nangalarana ireo basy tao amin’ny fonjan’i Vavatenina. Omaly, tratra tany anaty ala sy tao amina trano fandraisam-bahiny tany Soanierana Ivongo ireo basy efatra.

Sarona omaly avokoa ireo basy efatra very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina ny alarobia teo. Hita tao anaty ala tao Soanierana Ivongo ireo Mas 36 miisa telo. Tratra tao anatina trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana kosa ilay basy poleta iray sy ireo bala marobe hafa. Araka ny vaovao voaray, nisy trangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina An­tanifotsy ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. “Nandroba tsenakely tany an-toerana ireo olon-dratsy sady nanao poa-basy imbalo”, hoy ny zandary ao an-toerana. Very nandritra izany ny finday miisa efatra sy vola manodidina ny 6 tapitrisa Ar tao amin’ilay lehilahy tompon-tsena. Nanohy ny asa ratsiny indray tao amina ramatoa mpanao tsena tsy lavitra teo ny mpanafika ka nandroba entana maro. Toy ny fahitalavitra, rojo volamena, vola 400.000Ar miampy vola 1.200.000Ar hafa nalefa tamin’ny “mobile banking”. Taorian’io, nitsoaka sy nipetraka tamina trano fandraisam-bahiny ao Soa­nierana Ivongo ireo jiolahy.

Niafina
Omaly maraina, nisy nampahafantatra ny mpitandro filaminana fa misy olona telo mampiahiahy ao amin’ilay hotely iray ao an-toerana. Nitsirika avy hatrany ny zandary sy polisy ka sarona tao ny entana halatra sy ilay basy poleta. Nitohy ny fikarohana ka hita nisitrika tany anaty ala ireo basy mahery vaika telo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola tazomina ao amin’ny zandarimaria ireo basy halatra hanaovana fanadihadiana. Ilay tompon-tsena voatafika kosa efa nalefa eny amin’ny hopitalin’Antani­fotsy ary tsy ahiana ny ainy. Tsiahivina fa nisy namaky ny trano fitoeram-bala tao amin’ny fonjan’i Vavatenina ny alarobia hariva teo. Nilaza ho tojo tsy fahasalamana tampoka ny mpandraharahan’ny fonja tamin’io fotoana io ka nisy nanararaotra namaky ilay magazay fitoeram-bala. Very tamin’izay ny basy Mas 36 miisa telo sy bala 59. Voaroba tao an-toerana ihany koa ny basy poleta iray sy ny bala 47 miaraka aminy. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Henintsoa Hani

Partager sur: