“Raharaha La Gazette de la grande Ile” : namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), mom­ba ny nanatanterahan’ny Ji­rama didim-pitsarana nanagiazana ny fananan’ny La gazette de la grande Ile (LGDGI) ny 30 marsa teo. Anton’izany ny trosa tsy voaloan’io orinasan-gazety io. Nivoitra tamin’izany fa miantraika amin’ny mpanao gazety ny tsy fisian’ny fehezan-dalàna mamaritra ny fetra mazava, mampisaraka ny tombontsoa politika sy toekarena amin’ny zotran’ny fanoratana “Ligne editoriale”, eo amin’ny fananganana orinasan-gazety. “Tranga efa mpiseho ny tahaka izao, indrindra rehefa mandalo fotoan-tsarotra ny fiainam-pirenena ka iharan’ny voka-dratsiny hatrany ny mpanao gazety”, hoy ny OJM. Nampahatsiahy izy ireo fa asa mendrika sy masina ny fanaovan-gazety noho izy mampisitraka ny olom-pirenena ny zony hahazo vaovao malalaka sy marolafy ary mangarahara. Ma­nentana ny mpanao gazety ny OJM hanatanteraka ny asany ao anaty fanekena ny “Ethi­que” sy ny “Déontologie”, indrindra amin’izao taom-pifidianana izao. “Mba ho tratrantsika ny vina : Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin’ny fampandrosoana”, hoy ihany ny OJM.

Miombom-po amin’ireo mpanao gazetin’ny LGDGI

Etsy andaniny, mankahery sy miombom-po amin’ireo mpanao gazety ao amin’ny LGDGI misedra fahavere­zan’asa aterak’izao tranga izao. Notsiahivin’ny OJM fa saro-piaro amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izy ireo. “Hanohy ny fanadihadiana efa natomboka ma­naraka ny fomba fiasa “Ma­mafa”. Manamarina, manadihady, fandraisana andraikitra””, hoy ny OJM. Fandikan-dalàna tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety no vesatra anenjehana ny tompon’andraikitra ao amin’ity orinasan-gazety ity sy ny orinasa.

Synèse R.

Partager sur: