Raindahiny amin’ny famakian-trano : rotiky ny balan’ny zandary Razakabe

Nirefodrefotra indray ny basy tao Toamasina, omaly. Maty voatifitry ny zandary tao Ankirihiry Avaratra ny jiolahy iray, fantatra amin’ny anaram-bosotra hoe Razakabe. Ma­laza ratsy amin’ny fanendahana sy vaky trano amin’ny fampiasana zava-maranitra. Hatreto aloha, tsy fantatra mazava ny zavatra ampiasain’ity jiolahy maty voatifitra ity fa tena tsy mahare na inona na inona ny olona ao amin’ny tokantrano izay idirany. Teo am-panaovana fisafoana toy ny fanaony ny zandary eo anivon’ny kaompania Toama­sina, notarihin’ny Lietnà, Zava Cyprienne no nahazo antso tamin’ny lehiben’ny fokontany momba ny fisiana trangana vaky trano. Tonga ara-potoana ny zandary notarihin’ny lefitry ny kaoman­din’ny kaompania. Nataon’ izy ireo ny fifehezana ny toerana nitrangan’ny asa ratsy nataon-dRazakabe. Nandritra izany, nitsambikina nihoatra ny tamboho izy. Nitifitra ny zandary ka voa teo amin’ny feny izy ka nitolefika avy hatrany. Mbola nikiry ihany sy namely ireo zandary izy ka voatifitra teo amin’ny tratrany. Naiditra tao anaty fiara izy saingy tsy avotra intsony ny ainy. Nalefa ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toa­masina ny fatiny.

Sajo/J.C

Partager sur: