Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ireo hajia vaovao manamarika ny 50 taona niaraha-niasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara, natao tetsy Nanisana, omaly. Azon’ny rehetra ampiasaina manomboka izao ny hajia mitetina 5 200 Ar. “Natao hampiasaina amin’ ny antontan-taratasim-panjakana sy amin’ny fandoavan-ketra ny hajia”, hoy ny minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, Tahina Razafindramalo. Mbola ampiasain’ olona maro ny hajia amin’izao fotoana araka ny nambarany. Miara-miasa amin’ny fanjakana malagasy nandritra io am-polo taonany maro io hatrany ny fanjakana Sinoa, hoy ny tomponandraikitra misahana ny fifandraisana ara-diplomatika eo anivon’ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara. Hanehoan’izy ireo izany, ireto hajia ireto. Ahitana ny sarin’ny fotodrafitrasa nataon’ny sinoa sy ireo sehatra hiaraha-miasa amin’izy ireo toy ny fambolem-bary eny Mahitsy sy ny hopitaly Anosiala. Niatrika ny lanonana teny an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, minisitry ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, ary ireo solotenan’ny masoivohon’i Sina.
Tsiferana R.