Mila karakaraina ny fahasalamana ara-tsain’ny vahoaka sy ny voafonja amin’ny ankapobeny ary ny Humanité £ inclusion no anisany misahana izany.Araka ny fanadihadiana natao ny 2000 ary navoaka ny taona 2003, nilaza ny 47% amin’ny olona nohadihadiana teto Antananarivo fa nisehoana fikorontanana ara-tsaina.
Nanomboka niasa teny anivon’ny fonja malagasy ny Humanité £ inclusion (HI), ny taona 2009 izay nosantarina tamin’ny fanadihadiana momba ny voafonja tany Vatomandry sy Antanimora -Antananarivo. Nitohy ny fanadihadiana ny taona 2012 sy 2014 tany amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy (Toamasina), Antanimora ary Mahajanga. Nisongadina taorian’ny fanadihadiana telo tontosa fa ratsy ny fiainana amin’ny ankapobeny eny amin’ny fonja, hoy ny 64% amin’ireo voafonja. 10% tamin’ireo nohadihadiana no voafonja vehivavy. Nivoitra koa fa hisehoan’ny olana ara-tsaina ny ankamaroan’izy ireo satria 15% no nanambara fa te ho faty, 2% efa nanandrana namono tena. Kivy ny 94% raha 98% nilaza ho malahelo, 98% nanamafy fa manana fisainana ratsy.
Rehefa nahita ny vokatry ny fanadihadiana ny HI, tapa-kevitra fa hitondra fikarakarana manokana ny fahasalamana ara-tsaina ho an’ny voafonja manokana indrindra ny vehivavy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa momba ny fonja ao amin’ny HI, Mamy Cynthia, omaly teny Ambohidahy. Betsaka amin’ireo zo tokony ho sitrahan’ny voafonja amin’ny maha olombelona azy no tsy azony rehefa tafiditra ny fonja. Tsy zarizary ny sakafo satria mangahazo hatrany rehefa tsy manatitra tohana ny fianakaviana. Miteraka fahaketrahana ara-tsaina ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Ankoatra ny sakafo, tsy tomombana ny fahadiovana, fisahanana ny fahasalamana ka sorena lava ireo voafonja noho ny tontolo ratsy manodidina azy.
Tsy mahazo tsaboina
ivelan’ny fonja ireo tsy voatsara
Sarotra ny fahazoana fitsaboana any anaty fonja, “infirmier pénitencier” iray misahana voafonja 500. Ny fonjaben’Antanimora irery no manana mpitsabo manerana ny Nosy. Misy amin’ireo voafonja no nomena andraikitra hanampy hikarakara ny fahasalaman’ny voafonja mitovy aminy nefa tsy nomena fiofanana sy fiarovana. Tsy mahazo mivoaka ny fonja ny voafonja tsy mbola voatsara marary ka mila fitsaboana manokana fa tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana eny amin’ny fitsarana. Misy “infirmerie” ny fonja rehetra fa tsy ampy fitaovana no sady tsy manana fanafody raha tsy misy malala-tanana manome.
Tokony manome tatitra isam-bolana momba ny fahasalaman’ny voafonja ny mpiandraikitra nefa noho ny tsy fahampian’ny mpiasa, tsy tanteraka ara-potoana izany.
Andraikitry ny fianakaviana ny fanafody rehefa hiteraka…
Ho an’ny vehivavy mitondra vohoka mandritra ny fotoam-pamonjana, afaka misafo eny amin’ny CSB mpiara-miasa manakaiky ny fonja izy ireo miaraka amin’ny mpiasan’ny fonja. Ny fianakaviana ihany kosa no mividy ny fanafody rehetra rehefa marary na hiteraka ilay vehivavy, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazetin’ny Depêche informative Taratra sady mpikambana ao amin’ny Remapsen Madagascar, Andriamifidy Tiana. Notontosaina ny taona 2021 tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy sy Antanimora. 422 ireo voafonja vehivavy ka ny 18 mitondra vohoka raha 15 no mampinono. Manana ONG mpamatsy fanafody ny eny Antanimora fa miahy tena kosa ny any Ambalatavoahangy. Ao Ambalatavoahany, adiny dimy aorian’ny fahaterahana, tsy maintsy miverina any am-ponja ilay vehivavy sy ny zanany raha tsy misy fahasarotana ny fiterahana. Tsy misy miraharaha ny fahasalaman’ny vehivavy voafonja manokana ary tsy manana tetibola hisahanana izany ny fonja.
Tetikasa Miarina
Napetraka ny oktobra 2019 ka hatramin’ny desambra 2022 ny tetikasa Miarina, sahanin’ny HI, handraisana an-tanana ny fahasalamana ara-tsaina ho an’ny voafonja sy ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Misy olona manokana (mpisehatra sosialy) mandray an-tanana ny vehivavy voafonja rehetra manao tantsoroka ara-tsaina azy ireo. Ampianarina asa tanana koa ireo voafonja hikojana ny fahasalamana ara-tsaina. Hitohy amin’ity taona ity ny tetikasa vaovao hanokanana volana ho an’ny fahasalamana ara-tsain’ny vehivavy. Mila havaozina koa ny drafitrasam-pirenena momba ny fahasalaman’ny saina sy ny aretina androbe.
Le rendez-vous du Remapsen Madagascar
Hetsika voalohany nokarakarain’ny tambazotra Remapsen Madagascar, ivondronan’ny mpanao gazety amin’ny haino vaky jery, mampiroborobo ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny fizarana natao omaly, teny Ambohidahy. Satria nosafidiana ny lohahevitra Fahasalamana ho an’ny rehetra, ho fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny 7 avrily izao, naompana amin’ny fahasalamana ara-tsain’ny voafonja vehivavy sy ny zon’ireo vehivavy mitondra vohoka ny dinidinika niarahana tamin’ny Humanité £ Inclusion. Isaky ny telo volana ny hetsika « Le rendez-vous du Remapsen Madagascar ». Tambazotra aty Afrika ny Remapsen ary manana mpikambana i Madagasikara nanomboka ny taona 2021.
Vonjy