Andranomena : mpitondra moto nosokirina tao ambany kamiao

Lehilahy mpitondra moto iray no maty tsy tra-drano raha naratra mafy kosa ny iray hafa rehefa nifandona tamina kamiaobe teny Andranomena, ny sabotsy teo.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ambodi­mi­ta, afakomaly atoandro. Ka­miaobe iray sy moto roa samy nihazo ny lalan’Andranomena no tra-doza tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany teo. Nifan­dona tamin’ilay fiarabe ireo mpitondra moto ka nianjera mafy, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Mafy ny dona. Nipitika lavitra ny arabe ny iray tamin’ireo mpitondra moto ka naratra mafy. Ny iray hafa kosa voahitsak’ilay ka­miao ka voatery nosokirina tao amban’izany. Maty teo io. “Nisongona fiara teo alohany ilay mpamily ny kamiao ka mety tsy nahita ireo mpitondra moto ka izao nandona azy izao”, hoy ny filazan’ireo nanatri-maso. Nandriaka tanteraka ny ra, ilay mpamily kosa lasa nandositra sy nifampitadiavina taorian’ny zava-nisy. Minitra vitsy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Ilay naratra kosa nalefa vonjimaika teny amin’ny HJRA.

Nakàna “cric”

Voahitsak’ireo kodiaramben’ilay kamiao io mpitondra moto io. Potika ny feny roa, voadona mafy teo amin’ny filahiany koa izy. Nanano sarotra ny famoahana azy. “Voatery nampiasana “cric” ny namoahana ny nofo mangatsiakany tao ambanin’ilay kamiao”, hoy hatrany ireo fokonolona. Mini­tra vitsy taorian’izay, tafavoaka tao ny razana ka nentin’ny tomponandraikitry ny BMH nihazo ny tranom-patin’ny Hjra. Ni­sokatra ny fanadihadiana, nokarohina ilay mpamily
voatondro ho nahavanon-doza. Hita omaly tao Ambo­himan­ga­kely, distrikan’i Betafo ny tenany ka nosamborina avy hatrany hatao famotorana.

Henintsoa Hani

Partager sur: