Miakatra hatrany ny lentan’ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ho an’ny orinasa CT Motors. Nampahafantarin’izy ireo ny marika Kawasaki ZX 10 tetsy Andraharo, ny sabotsy 1 avrily teo. Anisan’ny hiaka farany ity karazana moto ity. Manana tanjaka hatramin’ny 203 Ch. “Mahafa-po mihoatra ireo Kawasaki nivoaka tany aloha ity ZX 10 ity satria efa nasiana fanovana ny firafitry ny vatany”, hoy ny talen’ny varotra eo anivon’ny orinasa , Rhyno Jess. Ankoatra io, manana ny Kawasaki Z900 RS SE sy ZX636 koa izy ireo. Ho an’ny Z900 RS SE, manana tanjaka 111 Ch; natao ho an’ireo matihanina ary koa ireo tia moto izy io. Eo amin’ny karazana moto cross kosa, efa hita ao amin’ny CT Motors koa ny KX 250 sy KX 450. Marihina fa 15 taona nitsinjarana ny vokatra Kawasaki ny orinasa CT Motors. “Tsy mitsaha-manome fahafaham-po ireo mpanjifa izahay ka afaka manatona manao famandrihana avy hatrany izy ireo”, hoy hatrany ny talen’ny varotra.
Tsiferana R.