Distrikan’Avaradrano : tobim-pahasalamana 6 voahosotra ho sakaizan’ny Wash

Notanterahina teny amin’ny CHRD Anosy Avaratra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana, ny faran’ny herinandro teo.
Nisongadina tamin’izany fanajana ny fahadiovana sy fidiovana izany ny tobim-pahasalamana 6 ao amin’ny distrikan’Avaradrano ka anisan’ireo filamatra sy maodely. Anisan’ny nahafeno ny fepetra nahafahana nanasokajy azy ho sakaizan’ny Wash ny CHRD Anosy Avaratra, ny CSB II Anosy Avaratra, ny CSB II Ankadikely Ilafy, CSB II Alasora, CSB II Manan­driana ary ny CSB II An­dranosoa.
Tobim-pahasalamana sakaizan’ny rano fidiovana sy fanadiovana no iantsoana azy ireo na “Ami de wash”. Tan­jona hatrany ny hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny va­hoaka eny ifotony.
Hentitra ireo fepetra takiana tamin’ny fifantenana ireo tobim-pahasalamana mendrika ireo. Anisan’izany ny fahadiovan’ny tobim-pahasalamana amin’ny ankapobeny, ny fahadiovan’ny toeram-pivoahana, ny fananana fotodrafitrasa sy toerana mikasika ny rano sy ny fidiovana ary ny fampiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana.
Matetika ireo no hitsarana ny lentan’ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa iray ary itarafana na manaja ny fahadiovan’ny toerana na tsia ny tom­pon’andraikitra sy ny ekipany.

Tatiana A

Partager sur: