Fandraisana an-tanana ny fahasalamana : nofanina hahay handresy lahatra ireo tomponandraikitra

Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana ny ara-pahasalamana eny anivon’ny orinasa sy ny minisitera. Nomena fiofanana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena .

Nofanina tetsy amin’ny LMA Ampefiloha, mi­kasika ny fanentanana ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena, hiditra ho mpikambana ao anatin’ny sehatra fandraisana an-tanana amin’ny ara-pahasalamana na ny «Mu­tuelle de santé» ireo tomponandraikitra voakasik’izany, ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’izany ny Ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (Onapascoma) foibe sy ireo tomponandraikitra eny ani­von’ny faritra amin’ny sehatry ny fanabeazana ary ireo tomponandraikitra misahana ny toeram-pitsaboana eny anivon’ny sekoly. Eo koa ny tomponandraikitra misahana ny fitantanana sy ny ara-bo­lan’ny «Pascoma».
Tanjon’ny fiofanana ny hananan’ireo mpisehatra ny teknika fanentanana sy fampahafantarana ity tetikasa ity. Eo koa ny hampandeha sy hampizotra tsara ny fandraisana an-tanana amin’ny ara-pahasalamana. Tanjona hatrany ny hisian’ny vokatra tsara eny anivon’ny sekoly.
Kendrena ny hanamafy ny fahalalana efa ananan’ireo tomponandraikitra. Mila ma­hay mandray ireo mpiasa, mpampianatra sy ny hafa hiditra ho mpikambana izy ireo. Nomena azy ireo ny fahaiza-mandresy lahatra sy manome torolalana ary mampahafantatra ny andraikitra tokony horaisina amin’ireo vao hiditra ho mpikambana mikasika an’io fandraisana an-tanana amin’ny ara-pahasalamana io.
Hatomboka any amin’ny distrikan’i Befandriana Ava­ratra sy Antananarivo Reni­vohitra ary Fianarantsoa ny tetikasa andrana. Aorian’iza­ny ny fanitarana any amin’ny faritra 23 rehefa hita ny fahombiazan’ny tetikasa na­tomboka.

Tatiana A

Partager sur: