Tsy niandry ela fa nitondra valin-kafatra manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny 31 marsa teo, ny antoko Malagasy miara-miainga. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’izany.
Nasongadin’ny fanambaran’ny MMM fa tsy afaka ny hangina izy ireo amin’ny fepetra fandrarana ireo hetsika ara-politika atao ankalamanjana ankoatra ireo hetsika karakarain’ny mpitondra fanjakana. “Fanohintohinana ny demokrasia izany ka melohinay. Fomba fanao efa nilaozan’ny toetrandro tanteraka ny didin’ny besandry sy ny famerana ny olom-pirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny MMM fa fahalalahana fototra arovan’ny andininy faha-20 amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’ olombelona sy ny andininy faha-10 amin’ny Lalàmpanorenana izany.
Eo koa ny tsy fanajana ny olom-boafidy : ben’ny Tanàna, mpanolotsain’ny Tanàna, solombavambahoaka ary loholona. Adidin’izy ireo amin’ ny maha olom-boafidy sy mpanao lalàna ny fanaovana tatitra amin’ireo olom-pirenena nifidy azy ireo, araka ny fanambarana hatrany. “Ampahatsiahivinay ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa nametraka ny kianjan’ny demokrasia ny 17 janoary 2009 ny tenany mba ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy mifamory. Manitsakitsaka izany fahalalahana izany anefa ny fitondram-panjakana tarihiny ankehitriny”, hoy ihany ny MMM.
Nanao tohivakana ny fanambarana fanamelohana
Hentitra izy ireo nilaza fa tsy ferana amin’ny fakana fahefana fotsiny ny politika. Entina indrindra hijerena sy hampiharana ireo hevitra heverina fa hahasoa ny fiainan’ny isan-tokantrano manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, araka ny fanambarana.
Nanao tohivakana nanao fanambarana, fanamelohana tsy mifanalavitra amin’izao koa ny eo anivon’ny antoko Tim, ny HVM, ny Mihava Tour….
Synèse R.