Fifidianana ; miantso ny HCC ny RDS

“Manasa ny HCC hifampiresaka amin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana mba hahazoana mamantatra ny hetahetan’izy ireo, hananany toky fa fijery ara-drariny amin’ny fanapahan-kevitra raisiny no ataony ao anatin’ny asa sahaniny”, hoy ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison.
Tokony hanazava ny an­draikiny amin’ny fifidianana koa ny HCC. Mangataka amin’ireo mpiara-miom­bon’antoka hanokatra fifampiresahana amin’ny Ceni sy ireo rafitra mpanatanteraka hahita ny fomba hamatsiam-bola ny fifidianana ny RDS.
Ankasitrahany ny fampihaonana nataon’ny Ceni sy ny fandraisana anjaran’ny HCC. Manentana an’ireo nandray anjara mba hamadika izany ho fifanarahana politika hirosoana ho amin’ny fifidianana. Mampirisika ny mpanatanteraka hanaja ny fahafahana maneho hevitra mba tsy hampiasa hery famoretana.
Tsy nampivoatra ny fiainan’ny vahoaka ny olana po­litika lavareny. Tonga ny fotoana hanarenana izany amin’ny alalan’ny fanohanana ny he­tsika ny rehetra mivoy ny fitoniana sy ny fanajana demokratika ary fametrahana fifidianana ma­dio sy tsara tantana.

R. Nd.

Partager sur: