Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fanolorana ny mari-pandraisana anjara, ho an’ireo tanora niatrika ny Lifeskills Fanoitra. Fiofanana nitondra ny lohahevitra “Culture et Vision”, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Tanora 6000 eto amin’ny faritra Analamanga no nisitraka izany ary mbola hahazo ny anjarany ireo tanora avy any amin’ny faritra hafa, toa an’Atsinanana, Boeny, Atsimo Andrefana ary Menabe. Fahalalana fototra hoentina mahomby eo amin’ny fiainana ho an’ny tanora ny Lifeskills Fanoitra. Tetikasan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hanohanana ny tanora ho ivon’ny fampandrosoana eny ifotony. Nofanina hanana vinam-pihariana ho an’ny fizakan-tena manokana ireo tanora nandray anjara, hanana ihany koa vina ara-tsosialy sy vinan’andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina. Anisan’ny voaresaka nandritra ny fampiofanana ny ady amin’ny vohoka aloha loatra, ny ady amin’ny herisetra mihatra amin’ny ankizy sy ny vehivavy, na amin’ny maha lahy na maha vavy. Teo ihany koa ny fanabeazana sy fandriampahalemana, ny ady amin’ny kolikoly, ny tontolo iainana sy ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fanatanjahantena sy fialamboly hiatrehana ny ady amin’ny zava-mahadomelina. I Betroka no disitrika filamatra amin’ity fandaharanasa Fanoitra ity.
Nohamafisin’ny minisitra André Haja Resampa fa manan-danja ny tanora eo anivon’ny firenena ary mila ampiana sy tohanana. «Ny tanora no hoavin’ny firenena ary manome lanja azy ireo ny minisitera», hoy ny nambarany. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny solontenan’ny fiadidiana ny Repoblika, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena mivady, ny solontenan’ny Unicef ary ireo olo-manan-kaja maro sy tale isan-tsokajiny eo anivon’ny MJS.
Nilaza ho nahita fiovana ireo tanora, taorian’ny niatrehany ity fiofanana ity ary mbola maniry ny hanohizana izany.
Mi.Raz