Toy ny mahazatra.Nanao tatitra mikasika ny tranga Covid-19 nandritra ny herinandron’ny 25 hatramin’ny 31 marsa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa nahitana tranga vaovao 43 indray eto Madagasikara. Ao amin’ny faritra Vakinankaratra avokoa ny 26 amin’ireo ary eto Analamanga ny 24. Nahitana tranga telo vaovao kosa tany Diana, 2 tany Androy ary 1 tany Matsiatra Ambony.
Midika izany fa tsy mbola foana ny aretina fa misoko mangina eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.
Mirongatra rahateo izao ny gripa sy ny sery rehefa nidina kely ny maripana, indrindra ny afovoan-tany. Mila miaro tena ireny olona ireny mba tsy hamindra amin’ny iray trano na ny mpiara-mianatra na ny mpiara-miasa ka hanaparitaka ny aretina indray.
Tsy tokony hohadinoina ihany koa ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny Covid-19, izay maimaim-poana eto amintsika, eny amin’ireo tobim-pahasalamana sy hopitaly. Miaro amin’ny trangana fahasarotana izy ireny, indrindra ho an’ny sokajin’olona marefo sy taizan’aretina ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Tatiana A