Izay fantatra, hono, no tiana, raha tsara sy mety amin’ny tena. Izay tiana no hajaina, izay hajaina no omen-kasina, izay omen-kasina no mahasaro-piaro, izay mahasaro-piaro no tandrovina toy ny anakandriamaso… Mby aiza? Manomboka eo amin’ny tsirairay aloha. Tena mahalala tena ve? Kibo mitsara tena ny tsirairay: iza izy, hanao inona, ho aiza? Rehefa tsy fantatra, ohatra, izay hitodiana, fantarina izay niaviana.
Io tsy fahalalana momba ny tena mbamin’izay niaviana sy ny anton-dia io no anisan’ny mahatonga ny sasany hanaotao foana sy mandeha goana. Tsy fahalalana inona firy izay momba ny tena sy ny manodidina no antony? Dia tsy mahagaga ny fanjakan’ny tsy fanarahan-dalàna na gaboraraka, ny tsy firaharahana ny hafa… Ny tena aza moa tsy fantatra? Toy ny tsy misy na tsy manana hajaina intsony amin’izany?
Izay no mampanontany tena etsy sy eroa hoe: ahoana ihany izy ity, ho aiza, mandra-pahoviana… ? Mipoipoitra ho azy amin’izany ny karazana fomba fijery rehetra io: mila fiovana sy fanovana, ohatra, fa izay miova no afa-kanova, mila fanorenana ifotony amin’ny alalan’ny fifampidinihana na fikaonandoham-pirenena. Izay dia efa tsy mampitovy hevitra. Inona, ohatra, no tena zava-dehibe sy maika amin’izao?
Ny itsitokotokoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ho sasatry ny miarina eto. Nefa mihalalina sy mitombo hatrany ny fahavoazana. Tsy mila ho tafapaka hatrany amin’ny maha olona, ny maha fanjakana, ny maha firenena… ? Na izany rehetra izany aza, tsy mety mampiombona fa samy maka ho azy, samy te ho lohany… Dia tsy fantatra mazava izay tokony hohajaina, homen-kasina, mahasaro-piaro…
Hanao ahoana ihany na ho aiza? Mila fantarina aloha hoe: avy aiza, hanao inona, ho aiza… ? Hatramin’ny hoe inona avy no misy, ny azo atao, ny mety ho vita… ? Ny tsy fahalalana na tsy firaharahana izany no anisan’ny manosika ny hafa hitsabaka, hanjakazaka lava, hanambaka… Amin’izao fifidianana izao, mety hisy ve ny hanana fandaharanasa amin’izany? Ankoatra izay asa maika hiatrehana sy hanarenana fiainam-bahoaka io.
Mila fahasahiana izany, fahatokian-tena, fijerena lavitra… Aiza ho aiza amin’izany ireo mpitaky fikaonandoham-pirenena, fanorenana ifotony… ? Handresy ho azy amin’ny fifidianana izany, raha tena ilain’ny firenena sy tadiavin’ny vahoaka. Ho hita eo…
R. Nd.